|
Ity misy recette matsiro be , azo atao entrée
Oeufs mimosa aux crevettes & paprika
Ho an'olona 4 izy ity fa afaka adaptenareo
Ingrédients :
Atody 6
Crevettes décortiquées – 12 petites
Mayonnaise 3 sotro fihinana
Sira 1 tsongo
Paprika doux 1 sotrokely
Tongolo maintso
Moutarde douce 1 sotrokely ( tsy voatery )
Andao ary ho karakaraina amin'izay eh
Ampangotrahina 10 minitra ny atody dia avy eo lomana rano mangatsiaka .
Voasana avy eo dia zaraina 2 ka esorina ny jaune d'œuf
Potserina anaty bol avy eo ilay jaune d'œuf dia ampiana mayonnaise sy sira ary paprika sy moutarde . Afangaroy tsara an
Tetehina majinika ny tongolo maintso dia alefa ao amin'ilay fangaro teo aloha ny sasany
Alaina amin'izay ilay blanc d'oeuf dia fenoina amin'ilay atiny nataontsika teo .
Somary endasina 2 minitra amin'ny menaka kely ilay crevette dia avy eo atao eo ambonin'ilay œuf mimosa
Verenana ampiana tongolo maintso atao décoration
Mmmmm , iza no hanandrana ?
#AkanySoafonenako #ServiceTraiteur #Recette
|